1 Chronicles 2:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tatỳ aoriana dia niray tamin’ny zanakavavin’i Makira, rain’i Gileada, i Hezrona. Enimpolo taona izy raha naka azy ho vady; ary niteraka an’i Segoba taminy Ravehivavy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manaraka izany, niray tamin’ny zanaka vavin’i Makira, rain’i Galaada, i Hesrôna; efa enimpolo taona izy vao naka azy, ary niteraka an’i Segoba taminy, ravehivavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa feno enimpolo taona i Hetsirôna, dia nalainy ho vady ny zanakavavin’i Makira rain’i Gilehada ka niterahany an’i Segoba.
Malagasy Bible 1865
Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin'ny zanakavavin'i Makira, rain'i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an'i Segoba taminy ravehivavy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tatỳ aoriana dia niray tamin’ny zanakavavin’i Makira, rain’i Gileada, i Hezrona. Enimpolo taona izy raha naka azy ho vady; ary niteraka an’i Segoba taminy Ravehivavy;
malagasy
Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin'ny zanakavavin'i Makira, rain'i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an'i Segoba taminy ravehivavy;