1 Chronicles 2:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny zanakalahin’i Joda dia i Era sy i Onana ary i Sela; ireo telo ireo no naterak’i Baty-Soa kananita taminy. Ratsy fanahy teo imason’NY TOMPO i Era, lahimatoan’i Joda, ka nahafaty azy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, sy i Selà: izy telo lahy ireo no naterak’ilay zanaka vavin’i Soe, ilay vehivavy Kananeanina, taminy. I Hera lahimatoan’i Jodà dia ratsy fanahy teo imason’i Iaveh, ka nasiany ho faty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zanakalahin’i Joda dia i Hera sy i Ônàna ary i Selà: izy telo lahy no naterak’ilay Kanahanita vadiny, dia ny zanakavavin’i Soha. Ary ratsy fanahy teo imason’ny TOMPO i Hera, lahimatoan’i Joda, ka novonoin’ny Tompo ho faty.
Malagasy Bible 1865
Ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak'i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason'i Jehovah Era, lahimatoan'i Joda, dia nahafaty azy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny zanakalahin’i Joda dia i Era sy i Onana ary i Sela; ireo telo ireo no naterak’i Baty-Soa kananita taminy. Ratsy fanahy teo imason’NY TOMPO i Era, lahimatoan’i Joda, ka nahafaty azy NY TOMPO.
malagasy
Ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak'i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason'i Jehovah Era, lahimatoan'i Joda, dia nahafaty azy Jehovah.