1 Chronicles 20:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa niherina ny taona ka tonga amin’ny andro fandehanan’ny mpanjaka hiady dia nitondra ny miaramila rehetra i Joaba ka nandrava ny tanin’ny taranak’i Amona. Dia tonga izy ka nanao fahirano an’i Raba. I Davida kosa dia nijanona tany Jerosalema ihany. Nahazo an’i Raba i Joaba ka nandrava azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny fitsingerenan’ny taona, nony mby tamin’ny fotoana fiaingan’ny mpanjaka handeha hiady, dia nitarika tafika tsy anerany i Jôaba, ka nandrava ny tanin’ny taranak’i Amôna, sy tonga nanao fahirano an’i Rabà; fa i Davida kosa nijanona tao Jerosalema. Noresen’i Jôaba i Rabà, sady noravany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa niherina ny lohataona, fotoana fiaingan’ny mpanjaka handeha hiady, dia i Jôaba no nitarika ny tafika manontolo ka nandrava ny tanin’ny Hamônita sy tonga nanao fahirano an’i Rabà renivohiny; fa i Davida kosa nijanona tao Jerosalema ihany. Nony azon’i Jôaba sy noravany i Rabà,
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin'ny andro fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny miaramila rehetra Joaba ka nandrava ny tanin'ny taranak'i Amona, dia tonga izy ka nanao fahirano an'i Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary Joaba nahafaka an'i Raba, ka dia nandrava azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa niherina ny taona ka tonga amin’ny andro fandehanan’ny mpanjaka hiady dia nitondra ny miaramila rehetra i Joaba ka nandrava ny tanin’ny taranak’i Amona. Dia tonga izy ka nanao fahirano an’i Raba. I Davida kosa dia nijanona tany Jerosalema ihany. Nahazo an’i Raba i Joaba ka nandrava azy.
malagasy