1 Chronicles 20:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nesorin’i Davida ny satroboninahitra teo an-dohan’ny mpanjakany ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany sady nisy vatosoa; dia nisatrohan’i Davida izany. Navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be dia be.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nesorin’i Davida ny satrok’andriana teny an-dohan’ny mpanjakany, ary talenta iray no lanjan’ny volamena hita tao aminy, sady nisy vatosoa anankiray koa, natao teny an-dohan’i Davida.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia avy i Davida nanaisotra ny satroboninahitra teny an-dohan’i Milkôma ilay andriamanitry ny Hamônita. Mihoatra ny telopolo kilao no hita fa lanjan’io satroboninahitra volamena io; sady nisy vatosoa anankiray koa taminy, vatosoa izay napetraka teo an-tampon’ny satroboninahitr’i Davida. Be dia be ny zavatra voababo tao an-drenivohitra no nentin’i Davida;
Malagasy Bible 1865
Dia nesorin'i Davida ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka teo an-dohany, ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be dia be.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nesorin’i Davida ny satroboninahitra teo an-dohan’ny mpanjakany ka hitany fa talenta* volamena iray no lanjany sady nisy vatosoa; dia nisatrohan’i Davida izany. Navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be dia be.
malagasy
Dia nesorin'i Davida ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka teo an-dohany, ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be dia be.[Na: Malkama; ]