1 Chronicles 20:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Navoakany koa ny olona izay tao ka nasainy niasa tamin’ny tsofa sy tamin’ny ragiragy lehibe ary ny famaky; toy izany no nataon’i Davida tamin’ny tanànan’ny taranak’i Amona rehetra. Avy eo dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny vahoaka rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Babo be dia be no nentiny avy ao an-tanàna. Ary ny vahoaka hita tao dia navoakany, ka noriatiny tamin’ny tsofa aman-dapìka vy sy famaky. Sady nataon’i Davida toy izany avokoa ny tanànan’ny taranak’i Amôna rehetra. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida mbamin’ny vahoakany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary ny mponina izay tao dia navoakany ka notereny hiasa amin’ny tsofa sy ny hersa ary ny famaky. Nataon’i Davida toy izany avokoa ny tanàna hafa rehetra fonenan’ny Hamônita. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny tafiny manontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin'ny tsofa sy tamin'ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon'i Davida tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Navoakany koa ny olona izay tao ka nasainy niasa tamin’ny tsofa sy tamin’ny ragiragy lehibe ary ny famaky; toy izany no nataon’i Davida tamin’ny tanànan’ny taranak’i Amona rehetra. Avy eo dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny vahoaka rehetra.
malagasy
Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin'ny tsofa sy tamin'ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon'i Davida tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.[Heb. notsofiny]