1 Chronicles 20:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tatỳ aoriana dia nisy ady tamin’ny Filistina tao Gezera; tamin’izany no namonoan’i Sibekay hosatita an’i Sipay, izay isan’ny taranaky ny Refaìta, dia naetriny ny Filistina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tatỳ aorian’izany nisy ady tamin’ny Filistinina tao Gazera. Tamin’izay no nahafatesan’i Sabokai Hosatita, an’i Safaì isan-taranak’i Rafà, ka voaetry ny Filistinina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany, dia nisy ady tamin’ny Filistinina tao Gezera. Tamin’izay i Sibekay, avy any Hosà, no nahafaty an’i Sipay isan’ny taranak’i Rafà; ka dia voaetry ny Filistinina.
Malagasy Bible 1865
Ary nony afaka izany, dia nisy ady tamin'ny Filistina tao Gazera; tamin'izany no namonoan'i Sibekay Hosatita an'i Sipay, izay isan'ny taranaky ny Refaita, ka dia naetriny ny Filistina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tatỳ aoriana dia nisy ady tamin’ny Filistina tao Gezera; tamin’izany no namonoan’i Sibekay hosatita an’i Sipay, izay isan’ny taranaky ny Refaìta, dia naetriny ny Filistina.
malagasy
[Ny nataon'ny lehilahy maherin'i Davida tamin'ny niadiany tamin'ny Filistina] Ary nony afaka izany, dia nisy ady tamin'ny Filistina tao Gazera; tamin'izany no namonoan'i Sibekay Hosatita an'i Sipay, izay isan'ny taranaky ny Refaita, ka dia naetriny ny Filistina.