1 Chronicles 20:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy ady indray tamin’ny Filistina, ary i Elanana, zanak’i Jaira, dia namono an’i Lamy, rahalahin’i Goliata gatita, izay nanana zaran-defona tahaka ny voditenon’ny mpanenona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nisy ady tamin’ny Filistinina koa, izay nahafatesan’i Elkanàna zanak’i Jaira, an’i Lakmì rahalahin’i Gôliata, avy any Geta, ilay nanan-defona hoatry ny voditenon’ny mpanenona ny zarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nisy ady tamin’ny Filistinina indray. Ka i Elihanàna, zanakalahin’i Jahîry, no nahafaty an’i Lahemỳ, rahalahin’i Gôliata avy any Gata, dia i Gôliata izay nanana zaran-defona vaventy tahaka ny voditenon’ny mpanenona.
Malagasy Bible 1865
Ary dia nisy ady tamin'ny Filistina indray ary Elanana, zanak'i Jaira, namono an'i Lamy, rahalahin'i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy ady indray tamin’ny Filistina, ary i Elanana, zanak’i Jaira, dia namono an’i Lamy, rahalahin’i Goliata gatita, izay nanana zaran-defona tahaka ny voditenon’ny mpanenona.
malagasy
Ary dia nisy ady tamin'ny Filistina indray ary Elanana, zanak'i Jaira, namono an'i Lamy, rahalahin'i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.