1 Chronicles 20:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy ady indray tao Gata; ary tao dia nisy lehilahy goavana izay enin-drantsana, efatra amby roapolo no isan’ny rantsantanany sy ny rantsantongony; ary izy koa dia isan’ny taranaky ny Refaìta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy ady tany Geta. Ka tao no nisy lehilahy avo be anankiray, enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra, efatra amby roapolo no totaliny, ka taranak’i Rafà koa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy ady koa tao Gata. Tao dia nisy lehilahy anankiray avo be sady enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra ka dia 24 no fitambarany; taranak’i Rafà koa izy.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan'ny taranaky ny Refaita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy ady indray tao Gata; ary tao dia nisy lehilahy goavana izay enin-drantsana, efatra amby roapolo no isan’ny rantsantanany sy ny rantsantongony; ary izy koa dia isan’ny taranaky ny Refaìta.
malagasy