1 Chronicles 21:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mosary telo taona va, sa fandringanana eo alohan’ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao, sa ny sabatry NY TOMPO, dia areti-mandringana no hamely ny tany hateloana ka ilay Anjelin’NY TOMPO no handringana manerana ny tanin’ny Israely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny hoentiko miverina any amin’izay naniraka ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mifidiana ianao: telo taona mosarena, sa telo volana hanosen’ny fahavalonao anao sy hahavoazan’ny sabatry ny fahavalonao anao, sa telo andro hitoeran’ny sabatr’i Iaveh sy ny pesta amin’ny tany, ka hahavita fandringanana eran’ny tanin’i Israely ny Anjelin’i Iaveh? Hevero amin’izao izay valy homeko an’izay naniraka ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
telo taona hisian’ny mosary ve; sa telo volana haharesy anao eo anatrehan’ny mpiady aminao sy hahatraran’ny sabatry ny fahavalonao anao; sa telo andro hamelezan’ny TOMPO amin’ny sabatra, dia ny aretina pesta, ka ny anjeli n’ny TOMPO no hanao fandringanana eran’ny tanin’i Israely? Koa hevero tsara izay valin-teny hoentiko any amin’Ilay naniraka ahy.
Malagasy Bible 1865
Mosary telo taona va? Sa fandringanana eo alohan'ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao? Sa ny sabatr'i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin'i Jehovah handringana eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any amin'Izay naniraka ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mosary telo taona va, sa fandringanana eo alohan’ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao, sa ny sabatry NY TOMPO, dia areti-mandringana no hamely ny tany hateloana ka ilay Anjelin’NY TOMPO* no handringana manerana ny tanin’ny Israely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny hoentiko miverina any amin’izay naniraka ahy.
malagasy
Mosary telo taona va? Sa fandringanana eo alohan'ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao? Sa ny sabatr'i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin'i Jehovah handringana eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any amin'Izay naniraka ahy.