1 Chronicles 21:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida tamin’i Gada: Tery loatra aho! Nefa aleoko ho azon’ny tanan’NY TOMPO, fa lehibe ny famindrampony, toy izay ho azon’izay tanan’olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Davida tamin’i Gada: «Latsaka am-panahiana mafy aho. Indrisy! aoka re ho azon’ny tanan’i Iaveh aho, fa be famindram-po indrindra Izy, fa tsy ho azon’ny tanan’olombelona aho!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Davida tamin’i Gada: –Sanganehana mafy aho; nefa aleoko ho azon’ny tanan’ny TOMPO toy izay ho azon’ny tanan’olombelona, satria lehibe tokoa ny famindrampon’ny Tompo!
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Davida tamin’i Gada: Tery loatra aho! Nefa aleoko ho azon’ny tanan’NY TOMPO, fa lehibe ny famindrampony, toy izay ho azon’izay tanan’olona.
malagasy
Ary hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.