1 Chronicles 21:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; nefa raha ilay mbola nandrava iny Izy dia nijery NY TOMPO ka nanenina ny amin’ny loza ka niteny tamin’ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo amin’izay ny tananao. Ary nitsangana teo anilan’ny famoloan’i Ornana jebosita ilay Anjelin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary naniraka Anjely anankiray Andriamanitra hankany Jerosalema handrava azy; kanjo nony nandrava teo io, nijery i Iaveh, ka nanenenany izany loza izany, dia hoy Izy tamin’ilay Anjely nandrava: «Aoka izay! Avonkino amin’izay ny tananao.» Teo akaikin’ny famoloan’i Ornàna Jeboseanina ilay Anjelin’i Iaveh tamin’izay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nirahin’Andriamanitra hankany Jerosalema ilay anjely mba handringana azy; saingy, raha iny nandringana tao iny ilay anjely, ny TOMPO kosa nijery ka nanenina ny amin’izany loza izany sady niteny tamin’ilay anjely mpandringana hoe: –Aoka izay! Aketraho ny tananao ankehitriny! Tamin’izay ity anjelin’ny TOMPO dia nitsangana teo anilan’ny famoloan’ilay Jebosita atao hoe Araonà.
Malagasy Bible 1865
Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anilan'ny famoloan'i Araona Jebosita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; nefa raha ilay mbola nandrava iny Izy dia nijery NY TOMPO ka nanenina ny amin’ny loza ka niteny tamin’ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo amin’izay ny tananao. Ary nitsangana teo anilan’ny famoloan’i Ornana jebosita ilay Anjelin’NY TOMPO.
malagasy