1 Chronicles 21:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanopy ny masony i Davida ka nahita ilay Anjelin’NY TOMPO nijoro teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholon’ny Israely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony natopin’i Davida ny masony, dia hitany ilay Anjelin’i Iaveh teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra, nitan-tsabatra voatsoaka natondrony nanandrify an’i Jerosalema. Niankohoka i Davida sy ny loholona, sady nitafy lasàka izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony natopin’i Davida ny masony, dia ilay anjelin’ny TOMPO no hitany nitsangana teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholona, izay efa samy nitafy lamba fisaonana rahateo.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an'i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon'ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanopy ny masony i Davida ka nahita ilay Anjelin’NY TOMPO nijoro teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholon’ny Israely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.
malagasy
Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an'i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon'ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana.[Heb. lamba malailay]