1 Chronicles 21:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao izay ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, RY TOMPO Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakavian’ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin’ny areti-mandringana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: «Moa tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao izany ratsy izany, fa ireo kosa, ireo ondry ireo, mba naninona? Ry Iaveh Andriamanitra ô, izaho sy ny fianakavian’ikaky no aoka hasian’ny tananao, fa aza dia ny vahoakanao no aringana!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: –Tsy izaho ve no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho mihitsy no nanota sy tena nanao izany zava-dratsy izany; fa ireo vahoaka andianondriko ireo kosa, inona moa no mba nataony? Ry TOMPO Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakaviako; fa aza dia ny vahoakanao no asianao amin’ny areti-mandringana.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin'ny areti-mandringana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao izay ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, RY TOMPO Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakavian’ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin’ny areti-mandringana.
malagasy