1 Chronicles 21:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida tamin’i Ornana: Mba omeo ahy amin’izay tokony ho vidiny ity famoloana ity mba hanorenako alitara ho an’NY TOMPO; omeo ahy izany mba hitsaharan’ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Davida tamin’i Ornàna: «Afoizo ho ahy ny tokotany misy ity famoloana ity, fa hanorenako ôtely ho an’i Iaveh; afoizo ho ahy amin’izay tokom-bidiny marina haloa vola, hialan’ny aretina mandringana ny vahoaka.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Araonà: –Mba omeo ahy ny tokotany misy ity famoloana ity, mba omeo ahy araka izay tena vidiny haloa vola; fa hanorenako alitara ho an’ny TOMPO izany mba hitsaharan’ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida tamin'i Araona: Mba omeo ahy amin'izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an'i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hoy Davida tamin'i Araona: Mba omeo ahy amin'izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an'i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.