1 Chronicles 21:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Ornana tamin’i Davida: Ento ary ho anao ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana manontolo, ny fivelezam-bary ho kitay ary ny varimbazaha ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; foiko avokoa izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Ornàna tamin’i Davida: «Ento ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay heveriny ho tsara: Indreto ny omby hatao sorona dorana, ny rambaramba hatao kitay, ary ny varimbazaha hatao fanatitra, ka omeko avokoa izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy i Araonà tamin’i Davida: –Ento ho anao ny tokotany, ry andriamanjaka, ary ataovy izay sitrakao; indreto ny ombiko omeko anao koa ho sorona dorana manontolo, ny rambaramba ho kitay, ary ny vary ho fanatitra. Omeko anao avokoa ireo rehetra ireo.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Araona tamin'i Davida: Ento ary ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Ornana tamin’i Davida: Ento ary ho anao ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana manontolo, ny fivelezam-bary ho kitay ary ny varimbazaha ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; foiko avokoa izy rehetra.
malagasy