1 Chronicles 21:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornana: Tsia, fa hovidiko tokoa araka izay tokony ho vidiny; fa tsy haka izay anao ho an’NY TOMPO aho ary tsy hanolotra fanatitra dorana manontolo amin’izay azoko maimaimpoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Davida mpanjaka tamin’i Ornàna: «Tsia, fa tiako hovidina vola araka izay tena vidiny marina, fa tsy haka ny anao ho an’i Iaveh aho, na hanatitra sorona dorana azoko maina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa i Davida mpanjaka tamin’i Araonà; –Tsia, fa hovidiko mihitsy ny tokotany, araka ny tena vidiny haloa vola; fa tsy izay anao no halaiko ho an’ny TOMPO ary tsy zavatra azoko maimaim-poana no hataoko sorona dorana manontolo.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an'i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin'izay azoko fotsiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an'i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin'izay azoko fotsiny.