1 Chronicles 21:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo i Davida ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana; dia niantso NY TOMPO izy ka novaliny tamin’ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanangana ôtely teo i Davida, ho an’i Iaveh, ary nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana. Izy niantso an’i Iaveh, ary i Iaveh namaly azy tamin’ny afo avy any an-danitra latsaka teo amin’ny ôtely nisy ny sorona dorana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo no nanorenan’i Davida alitara ho an’ny TOMPO; ary nanolotra sorana dorana manontolo sy sorom-pihavanana izy sady niantso ny TOMPO, ka novaliany tamin’ny afo avy tany an-danitra, dia afo izay latsaka teo amin’ny alitara nisy ny sorona dorana manontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida nanorina alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an'i Jehovah izy ka novaliany tamin'ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo i Davida ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana; dia niantso NY TOMPO izy ka novaliny tamin’ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo.
malagasy