1 Chronicles 21:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny tabernakelin’NY TOMPO izay nataon’i Mosesy tany an-tany efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo kosa dia teo amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona tamin’izany fotoana izany;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ilay tabernaklan’i Iaveh nataon’i Môizy tany an’efitra sy ny ôtelin’ny sorona dorana, dia teo amin’ny fitoerana avo tany Gabaôna fahizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay ny tranolain ’ny TOMPO (tranolay nataon’i Mosesy tany an-taniefitra) sy ny alitara fanolorana sorona dorana manontolo dia teo amin’ny Toeramasina tao Gibehôna;
Malagasy Bible 1865
Fa ny tabernakelin'i Jehovah izay nataon'i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny tabernakelin’NY TOMPO izay nataon’i Mosesy tany an-tany efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo kosa dia teo amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona tamin’izany fotoana izany;
malagasy
Fa ny tabernakelin'i Jehovah izay nataon'i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan'izany hanontany amin'Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr'Ilay Anjelin'i Jehovah.