1 Chronicles 21:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia natolotr’i Joaba an’i Davida ny isan’ny olona voalamina ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ny Israely; fito alina sy efatra hetsy kosa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ny Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natolotr’i Jôaba an’i Davida ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy 1.100.000 ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’i Israely rehetra, ary 470.000 ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia natolotr’i Jôaba an’i Davida ny tarehimarika vokatry ny fanisam-bahoaka: i Israely manontolo dia nisy 1 100 000 ny lehilahy matanjaka mahatam-piadiana, ary i Joda dia nisy 470 000.
Malagasy Bible 1865
Ary natolotr'i Joaba an'i Davida ny isan'ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia natolotr’i Joaba an’i Davida ny isan’ny olona voalamina ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ny Israely; fito alina sy efatra hetsy kosa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin’ny Joda.
malagasy