1 Chronicles 22:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Homen’NY TOMPO saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpitondra ny Israely, mba hitandremanao ny lalànan’NY TOMPO Andriamanitrao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho sitrak’i Iaveh ihany anie, ny hanome fahendrena amam-pahazavan-tsaina anao, rehefa hanome fahefana anao amin’i Israely izy, mba hankatoavanao ny lalàn’i Iaveh Andriamanitrao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Homen’ny TOMPO saina mahiratra sy mahay anie ianao rehefa hatsangany hifehy an’i Israely, mba hitandremanao ny lalànan’ny TOMPO Andriamanitrao.
Malagasy Bible 1865
Ary homen'i Jehovah saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba hitandremanao ny lalan'i Jehovah Andriamanitrao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Homen’NY TOMPO saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpitondra ny Israely, mba hitandremanao ny lalànan’NY TOMPO Andriamanitrao.
malagasy
Ary homen'i Jehovah saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba hitandremanao ny lalan'i Jehovah Andriamanitrao.