1 Chronicles 22:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, fa na dia be fahoriana aza aho dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja hoenti-manao ny tranon’NY TOMPO; efa nahavonona hazo sy vato koa aho; koa ampionao kosa ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro fa izaho nananosarotra mafy ka nahavonona izao, ho an’ny tranon’i Iaveh: talenta volamena 100.000, talenta volafotsy 1.000.000, ny varahina amam-by kosa tsy hita lanja intsony, noho ny habetsahany loatra. Efa nahavonona hazo amam-bato koa aho, ary mbola hampianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
He! nanao ezaka mafy aho ka nahavonona ho an’ny tranon’ny TOMPO ireto fitaovana ireto: volamena milanja telo tapitrisa kilao mahery, volafotsy milanja telopolo tapitrisa kilao mahery, halimo sy vy betsaka tsy hita lanja; ary nahavonona hazo sy vato koa aho. Dia hampianao kosa ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary, he! fa na dia be fahoriana aza aho, dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja ho enti-manao ny tranon'i Jehovah; ary efa nahavonona hazo sy vato koa aho; ka dia ampionao kosa ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, fa na dia be fahoriana aza aho dia nahavory talenta* volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja hoenti-manao ny tranon’NY TOMPO; efa nahavonona hazo sy vato koa aho; koa ampionao kosa ireo.
malagasy
Ary, he! fa na dia be fahoriana aza aho, dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja ho enti-manao ny tranon'i Jehovah; ary efa nahavonona hazo sy vato koa aho; ka dia ampionao kosa ireo.