1 Chronicles 22:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy momba anareo va NY TOMPO Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin’ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin’ny tany; ary ny tany dia efa resy teo anoloan’NY TOMPO sy teo anoloan’ny olony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Tsy momba anareo va i Iaveh Andriamanitrareo, ary moa tsy efa nomeny fandriam-pahalemana eo amin’ny manodidina rehetra va ianareo? Fa ny mponina amin’ny tany efa natolony teo an-tanako; ary ny tany efa nampanekena teo anoloan’i Iaveh, sy teo anoloan’ny vahoakany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Tsy miaraka aminareo ve ny TOMPO Andriamanitra? Nomeny fandriampahalemana eo amin’ny manodidina rehetra ianareo, nony natolony ho ambany fifehezako ny mponina taloha tamin’ity tany efa resy teo anoloan’ny TOMPO sy teo anoloan’ny vahoakany ity.
Malagasy Bible 1865
Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin'ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin'ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan'i Jehovah sy teo anoloan'ny olony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy momba anareo va NY TOMPO Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin’ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin’ny tany; ary ny tany dia efa resy teo anoloan’NY TOMPO sy teo anoloan’ny olony.
malagasy
Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin'ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin'ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan'i Jehovah sy teo anoloan'ny olony.Koa ankehitriny ampitadiavo an'i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masina ho an'i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ny fanaka masin'Andriamanitra ho ao amin'ny trano izay hatao ho an'ny anaran'i Jehovah.