1 Chronicles 22:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, ampitadiavo NY TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo ka mitsangàna, ary ataovy ny fitoerana masina ho an’NY TOMPO Andriamanitra, hampidirana ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny fanaka masin’Andriamanitra ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny anaran’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny araiketo amin’ny fitadiavana an’i Iaveh Andriamanitrareo ny fo amam-panahinareo, mitsangàna hanao ny fitoerana masina ho an’i Iaveh Andriamanitra, mba hitondra hankatỳ ny fiaran’ny faneken’i Iaveh mbamin’ny fanaka masin’Andriamanitra, ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny Anaran’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny, aoka ny fo amam-panahinareo hifantoka hitady ny TOMPO Andriamanitrareo! Irosoy ny asa, aoreno ilay Toeramasin ’ny TOMPO Andriamanitra; ary dia ao amin’ny tempoly haorina ho voninahitry ny TOMPO no hampidiranareo ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO sy hampidiranareo ny fanaka voatokana hanompoana an’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny ampitadiavo an'i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo, ka mitsangàna, ary manaova ny fitoerana masina ho an'i Jehovah Andriamanitra, hampidirana ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ny fanaka masin'Andriamanitra ho ao amin'ny trano izay hatao ho an'ny anaran'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, ampitadiavo NY TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo ka mitsangàna, ary ataovy ny fitoerana masina ho an’NY TOMPO Andriamanitra, hampidirana ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ny fanaka masin’Andriamanitra ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny anaran’NY TOMPO.
malagasy