1 Chronicles 22:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Davida: Mbola zaza sady tanora fanahy i Solomona zanako, ary ny trano hatao ho an’NY TOMPO dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin’ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hataoko vonona rahateo ny zavatra hoenti-manao azy. Dia nahavonona betsaka i Davida raha mbola velona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Davida: «I Salômôna, zanako, mbola tanora sy malemy, ary ny trano hatao ho an’i Iaveh dia tsy maintsy ho kanto indrindra mba hahazo laza amam-boninahitra amin’ny tany rehetra, ka tiako ny mamonona zavatra ho azy.» Dia nahavonona be tokoa i Davida talohan’ny nahafatesany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy izy anakampony: «I Salômôna zanako mbola kely sady tanora fanahy, ary ny tempoly haorina ho an’ny TOMPO dia tsy maintsy ho lehibe tokoa mba hielezan’ny lazany sy ny voninahiny any amin’ny tany rehetra; koa hovononiko rahateo ny zavatra hoenti-manao azy.» Dia nahavonona betsaka tokoa i Davida fahavelony.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an'i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin'ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Davida: Mbola zaza sady tanora fanahy i Solomona zanako, ary ny trano hatao ho an’NY TOMPO dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin’ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hataoko vonona rahateo ny zavatra hoenti-manao azy. Dia nahavonona betsaka i Davida raha mbola velona.
malagasy