1 Chronicles 23:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny zanakalahin’i Amrama dia i Arona sy i Mosesy. Ary natokana i Arona ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany fara aman-dimby, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’NY TOMPO sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitsodrano amin’ny anarany mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Zanaka lahin’i Amrama: i Aarôna sy i Môizy. Ary i Aarôna natokana hohamasinina indrindra, izy mbamin’ny taranany mandrakizay, mba hanolotra zava-manitra hanetona eo anatrehan’i Iaveh, hanao ny fanompoany ary hitso-drano ny olona amin’ny Anarany mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zanakalahin’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy. I Aharôna mbamin’ny taranany no natokana hatrany mba hanao fanompoana ao amin’ny Toeramasina indrindra: ka himasoany lalandava ny handoro zava-manitra eo anatrehan’ny TOMPO sy ny hanao fanompoam-pivavahana ary ny hitsodrano amin’ny anaran’ny Tompo.
Malagasy Bible 1865
Ny zanakalahin'i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin'ny anarany mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny zanakalahin’i Amrama dia i Arona sy i Mosesy. Ary natokana i Arona ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany fara aman-dimby, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’NY TOMPO sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitsodrano amin’ny anarany mandrakizay.
malagasy