1 Chronicles 23:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo no zanakalahin’i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao amin’ny tranon’NY TOMPO, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo no zanaka lahin’i Levì araka ny fianakaviany, ny loham-pianakaviana, araka ny nanisana azy, voaisa isan’olona, voatonona anarana, izay nanao fanompoana tao an-tranon’i Iaveh hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo rehetra ireo no taranak’i Levỳ, izay samy lohany teo amin’ny fianakaviany avy, araka ny nanisana azy sy nanoratana anarana azy tsirairay: nanao ny asa fanompoana tao an-tranon’ny TOMPO ireo, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra.
Malagasy Bible 1865
Ireo no zanakalahin'i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo no zanakalahin’i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao amin’ny tranon’NY TOMPO, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
malagasy