1 Chronicles 23:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara raharahany ny amin’ny tranolay fihaonana sy ny anjara raharahany ny amin’ny fitoerana masina ary ny anjara raharahany ny amin’ny taranak’i Arona rahalahiny ho fanompoana ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Azy ireo ny mikarakara ny fitandremana ny trano lay fihaonana, ny fitandremana ny zavatra masina, ny fitandremana ireo taranak’i Aarôna, rahalahiny, amin’ny momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola azy koa no miambina ny Tranolay fihaonana sy ny Toeramasina; fa an’ny taranak’i Aharôna rahalahiny kosa ny manao ny fanompoana ao an-tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin'ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin'ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin'ny taranak'i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara raharahany ny amin’ny tranolay fihaonana* sy ny anjara raharahany ny amin’ny fitoerana masina ary ny anjara raharahany ny amin’ny taranak’i Arona rahalahiny ho fanompoana ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy