1 Chronicles 24:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo avy no antokony amin’ny fanompoany izay hidirany ao amin’ny tranon’NY TOMPO araka ny fitsipika voatendrin’i Arona rainy, araka ny nandidian’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izany no antokony nizarazarana azy ireo, araka ny fanompoany, mba ho tonga ao an-tranon’i Iaveh, araka ny fandaharana nomena azy, tamin’ny alalan’i Aarôna, rainy, araka ny didy nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no fitsinjarana ny taranak’i Aharôna ho antokony amin’ny fanompoany avy, mba hahatongavany ao an- tranon’ny TOMPO; araka ny fitsipika izay tena nifandraika tamin’ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no nampitan’i Aharôna razambeny azy.
Malagasy Bible 1865
Ireo avy no antokony amin'ny fanompoany izay idirany ao an-tranon'i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin'i Arona rainy, araka ny nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo avy no antokony amin’ny fanompoany izay hidirany ao amin’ny tranon’NY TOMPO araka ny fitsipika voatendrin’i Arona rainy, araka ny nandidian’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, azy.
malagasy
Ireo avy no antokony amin'ny fanompoany izay idirany ao an-tranon'i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin'i Arona rainy, araka ny nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.[Na: Ary ny raharahan'ireo tamin'ny fanompoana dia ny hiditra]