1 Chronicles 24:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Semaia, zanak’i Netanela, mpitantsoratra iray tamin’ny levita, no nanoratra azy teo anatrehan’ny mpanjaka, ny mpanapaka, i Zadoka mpisorona, i Ahimeleka, zanak’i Abiatara ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny levita. Fianakaviana iray no nalaina ho an’i Eleazara, ary iray kosa dia ho an’Itamara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Semeiàsa zanak’i Natanaely mpanoratra, anankiray tamin’ny Levita, no nandatsaka an-tsoratra azy ireo, teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny filohany, teo anatrehan’i Sadôka mpisorona, sy i Akimeleka zanak’i Abiatara, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny Levita; amin’ny filokana maka fianakaviana iray avy amin’i Eleazara, dia iray avy amin’i Itamara.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Semahià, izay zanakalahin’i Natanaela sady mpitantsoratra anankiray anisan’ny levita, no nanoratra izany fitsinjarazarana izany teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka, teo anatrehan’i Tsadôka mpisorona sy i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny loham-pianakavian’ny levita: hatrany hatrany, dia fianakaviana roa no nalaina antsapaka tamin’ny terak’i Elehazara, vao iray kosa tamin’ny terak’i Itamara.
Malagasy Bible 1865
Ary Semaia, zanak'i Netanela, mpanoratra anankiray tamin'ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, sy teo anatrehan'ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an'i Eleazara, ary iray kosa ho an'Itamara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Semaia, zanak’i Netanela, mpitantsoratra iray tamin’ny levita*, no nanoratra azy teo anatrehan’ny mpanjaka, ny mpanapaka, i Zadoka mpisorona, i Ahimeleka, zanak’i Abiatara ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny levita. Fianakaviana iray no nalaina ho an’i Eleazara, ary iray kosa dia ho an’Itamara.
malagasy
Ary Semaia, zanak'i Netanela, mpanoratra anankiray tamin'ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, sy teo anatrehan'ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an'i Eleazara, ary iray kosa ho an'Itamara.