1 Chronicles 25:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny taranak’i Asafa sy i Hemana ary i Jedotona dia natokan’i Davida sy ireo lehiben’ny miaramila ho amin’ny fanompoana mba haminany amin’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona. Izao no isan’ny mpanao raharaha araka ny fanompoany avy:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natokan’i Davida sy ireo komandin’ny tafika, hanaovana ny fanompoana, ny sasany amin’ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Iditona izay naminany tamin’ny harpa aman-dokanga ary kipantsona. Izao no isan’ireo izay manana anjara raharaha amin’ny fanompoana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Davida sy ny lehiben’ireo andiana levita voatokana ho an’ny fanompoam-pivavahana dia nanavaka ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna, ho mpampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ka izao no isan’ny lehilahy mpanao izany raharaha izany araka ny fanompoany avy:
Malagasy Bible 1865
Ary ny taranak'i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan'i Davida sy ireo komandin'ny miaramila ho amin'ny fanompoana mba haminany amin'ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan'ny mpanao araka ny fanompoany avy:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny taranak’i Asafa sy i Hemana ary i Jedotona dia natokan’i Davida sy ireo lehiben’ny miaramila ho amin’ny fanompoana mba haminany amin’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona. Izao no isan’ny mpanao raharaha araka ny fanompoany avy:
malagasy
[Ny nizarana ny mpihira ho efatra amby roa-polo toko] Ary ny taranak'i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan'i Davida sy ireo komandin'ny miaramila ho amin'ny fanompoana mba haminany amin'ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan'ny mpanao araka ny fanompoany avy:[Na: ny asany amin'ny]