1 Chronicles 25:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’i Jedotona, ny zanany dia i Gedalia, i Zery, i Jesaia, i Hasabia ary i Matitia; enin-dahy ireo ka notarihin’i Jedotona rainy, izay naminany tamin’ny lokanga hidera sy hisaotra NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’i Iditona, ny zanaka lahin’i Iditona: i Godohiasa, i Sorỳ, i Jereiasa, i Hasabiasa, i Matatiasa, ary i Semeià, enina izy araka ny didin’i Iditona rainy, izay naminany tamin’ny lokanga hidera sy hankalaza an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny an’ny zanakalahin’i Jedotòna dia ry i Gedalià sy i Tserỳ, i Jesahià sy i Simehỳ ary i Hasabià sy i Matitià. Izy enin-dahy ireo dia notarihin’i Jedotòna rainy izay nampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga, mba hankalazana sy hiderana ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Tamin'i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin'i Jedotona rainy, izay naminany tamin'ny lokanga hidera sy hisaotra an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’i Jedotona, ny zanany dia i Gedalia, i Zery, i Jesaia, i Hasabia ary i Matitia; enin-dahy ireo ka notarihin’i Jedotona rainy, izay naminany tamin’ny lokanga hidera sy hisaotra NY TOMPO.
malagasy
Tamin'i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin'i Jedotona rainy, izay naminany tamin'ny lokanga hidera sy hisaotra an'i Jehovah.