1 Chronicles 25:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo rehetra ireo no teo ambany fitarihan’ny rainy tamin’ny hira natao tao amin’ny tranon’NY TOMPO, tamin’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra. I Asafa sy i Jedotona ary i Hemana dia teo ambany fitarihan’ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo Levita rehetra ireo dia samy notarihin’ny rainy avy, hanao ny hira ao an-tranon’i Iaveh, ka nanana kipantsona sy lokanga ary harpa, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra, eo ambany fifehezan’i Davida sy i Asafa ary i Iditona sy i Hemàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy rehetra ireo dia samy notarihin-drainy avy no nihira tao an- tranon’ny Tompo, ombàn’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga; ny hanao fanompoana tao an-tranon’ny TOMPO no raharahany, teo ambany fitarihan’ny mpanjaka mbamin-dry i Asafa sy i Jedotòna ary i Hemàna.
Malagasy Bible 1865
Ireo rehetra ireo no fehin'ny rainy tamin'ny hira natao tao an-tranon'i Jehovah tamin'ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin'ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo rehetra ireo no teo ambany fitarihan’ny rainy tamin’ny hira natao tao amin’ny tranon’NY TOMPO, tamin’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra. I Asafa sy i Jedotona ary i Hemana dia teo ambany fitarihan’ny mpanjaka.
malagasy