1 Chronicles 26:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo lehiben’ny tonian’ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara raharaha tahaka ireo rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo antokon’ny mpiandry varavarana ireo, ny filohan’izany lehilahy izany, dia samy nanan-draharaha tamin’ny fanompoana tao an-tranon’i Iaveh, teo an’ilan’ireo rahalahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Anjaran’ny antokon’ireo mpiandry vavahady sy anjaran’ny filohan’ireo vatan-dehilahy ireo ny manao fanompoana ao an- tranon’ny TOMPO, teo anilan’ireo levita rahalahiny.
Malagasy Bible 1865
Ireo lohan'ny tonian'ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin'ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo lehiben’ny tonian’ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara raharaha tahaka ireo rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy
Ireo lohan'ny tonian'ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin'ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'i Jehovah.