1 Chronicles 26:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny azon’i Selemia tamin’ny antsapaka dia ny ilany atsinanana. Ary natao koa ny antsapaka ho an’i Zakaria zanany izay mpanolotsaina hendry, koa ny azony dia ny ilany avaratra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka azon’i Selemiasa ny loka ny amin’ny lafiny atsinanana. Dia natao ny loka ho an’i Zakariasa zanany izay mpanolo-tsaina hendry, ka ny amin’ny lafiny avaratra no azony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny amin’ny vavahady atsinanana, dia azon’i Selemià ny antsapaka. Ny amin’ny vavahady avaratra, dia i Zakarià zanany, izay mpanolotsaina hendry, no niantefan’ny antsapaka natao.
Malagasy Bible 1865
Koa ny loka tamin'ny atsinanana dia azon'i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin'ny avaratra no azony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny azon’i Selemia tamin’ny antsapaka dia ny ilany atsinanana. Ary natao koa ny antsapaka ho an’i Zakaria zanany izay mpanolotsaina hendry, koa ny azony dia ny ilany avaratra.
malagasy
Koa ny loka tamin'ny atsinanana dia azon'i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin'ny avaratra no azony.