1 Chronicles 26:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny atsinanana dia nisy levita enina, ny avaratra dia nisy efatra isanandro, ny atsimo dia nisy efatra isanandro, ary ny trano fitahirizan-drakitra dia nisy efa-dahy nizara ho roa avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy Levita enina any atsinanana, efatra isan’andro any avaratra, efatra isan’andro any atsimo, efatra tamin’ny trano fitahirizana, tsiroaroa;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka tamin’ny vavahady atsinanana, nisy levita enina isan’andro; tamin’ny vavahady avaratra, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny vavahady atsimo, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny trano fitahirizana entana, nisy sokajy anankiroa samy levita roa avy;
Malagasy Bible 1865
Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy efatra Isan'andro, ny atsimo nisy efatra isan'andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny atsinanana dia nisy levita* enina, ny avaratra dia nisy efatra isanandro, ny atsimo dia nisy efatra isanandro, ary ny trano fitahirizan-drakitra dia nisy efa-dahy nizara ho roa avy.
malagasy
Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy efatra Isan'andro, ny atsimo nisy efatra isan'andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy.