1 Chronicles 26:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny taranaky ny Jehielita, dia i Zetama sy i Joela rahalahiny, no tonian’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny zanak’i Jehiela, i Zatàna sy i Joela rahalahiny no tonian’ny rakitry ny tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sy ireo zanakalahin’i Jehielỳ, ary koa i Zetama sy i Jôela rahalahin’i Jehielỳ, samy loham-pianakaviany avy, no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy tao an-tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary ny taranaky ny Jehielita, dia Zetama sy Joela rahalahiny, no tonian'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny taranaky ny Jehielita, dia i Zetama sy i Joela rahalahiny, no tonian’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy
Ary ny taranaky ny Jehielita, dia Zetama sy Joela rahalahiny, no tonian'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.