1 Chronicles 26:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny Hebronita dia i Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fitonjato sy arivo, no mpifehy tamin’ny Israely tany andafy andrefan’i Jordana, mpifehy ny amin’ny raharaha rehetra ho an’NY TOMPO sy ny fanompoana ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny Hebrônita, dia i Hasabiasa mbamin’ireo rahalahiny samy lehilahy mahery fo, 1.700 no isany, no nifehy an’i Israely teny an-dafin’i Jordany any andrefana, amin’ny raharaha rehetra momba an’i Iaveh sy ny fanompoana ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taranak’i Hebrôna, dia i Hasabià sy ny havany, izay nisy olom-banona 1 700 lahy, no mpifehy ny faritr’i Israely andrefan’i Jôrdàna amin’ny raharaha rehetra momba ny TOMPO sy momba ny fanompoana ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no mpifehy tamin'ny Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana ny amin'ny raharaha rehetra ho an'i Jehovah sy ny fanompoana ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny Hebronita dia i Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fitonjato sy arivo, no mpifehy tamin’ny Israely tany andafy andrefan’i Jordana, mpifehy ny amin’ny raharaha rehetra ho an’NY TOMPO sy ny fanompoana ny mpanjaka.
malagasy