1 Chronicles 26:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny Hebronita dia i Jeria no lohany. Tamin’ny taona fahefapolo nanjakan’i Davida no nanaovana fikarohana teo amin’ny Hebronita, araka ny fianakaviany avy, ka nahitana mpiady mahery tao, dia tao Jazera any Gileada.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny Hebrônita dia i Jerià no lohany. Ny amin’ny Hebrônita araka ny tetiarana isam-pianakaviana dia nisy fikarohana natao tamin’ny taona fahefapolo nanjakan’i Davida ka nahitana lehilahy mahery teo amin’izy ireo tao i Jazera any Galaada,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taranak’i Hebrôna, dia i Jerià no filoha; ny taona fahefapolo nanjakan’i Davida no nanaovana fikarohana ny amin’ny taranak’i Hebrôna araka ny tetiarana isam-pianakaviana, ka nahitana vatan-dehilahy olom-banona tao Jahizera any Gilehada.
Malagasy Bible 1865
Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin'ny taona fahefa-polo nanjakan'i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada)
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny Hebronita dia i Jeria no lohany. Tamin’ny taona fahefapolo nanjakan’i Davida no nanaovana fikarohana teo amin’ny Hebronita, araka ny fianakaviany avy, ka nahitana mpiady mahery tao, dia tao Jazera any Gileada.
malagasy
Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin'ny taona fahefa-polo nanjakan'i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada)sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan'ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen'i Manase, ny amin'ny raharahan'Andriamanitra sy ny mpanjaka.