1 Chronicles 26:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny rahalahin’i Jeria dia fitonjato sy roa arivo, samy mpiady mahery, loham-pianakaviany avy. Ary nanendry azy ireo i Davida ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, ny amin’ny raharaha rehetra mikasika an’Andriamanitra sy ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mbamin’ny rahalahiny, lehilahy maherin’ny 1.700, samy loham-pianakaviana. Ary notendren’i Davida mpanjaka izy ireo hifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, amin’ny raharahan’Andriamanitra rehetra sy ny raharahan’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Jerià mbamin’ny havany dia nisy 2 700 lahy, samy olom-banona loham-pianakaviany avy, ka notendren’i Davida mpanjaka hifehy ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasam-pokon’i Manase amin’ny raharaha rehetra momba an’Andriamanitra sy momba ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan'ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen'i Manase, ny amin'ny raharahan'Andriamanitra sy ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny rahalahin’i Jeria dia fitonjato sy roa arivo, samy mpiady mahery, loham-pianakaviany avy. Ary nanendry azy ireo i Davida ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, ny amin’ny raharaha rehetra mikasika an’Andriamanitra sy ny mpanjaka.
malagasy