1 Chronicles 26:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo rehetra ireo no avy tamin’ny zanak’i Obeda-Edoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin’ny fanompoany; roa amby enimpolo no an’i Obeda-Edoma.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo rehetra ireo, dia samy zanak’i Obededôma; 62 izy mbamin’ny zanany aman-drahalahiny no avy amin’i Obededôma, samy lehilahy matanjaka sy be herim-po amin’ny fanompoana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Anisan’ny taranak’i Hôbeda-Edôma ireo rehetra ireo. Ny taranaka ombàn-janaka sy havana dia nisy 62 lahy ny an’i Hôbeda-Edôma no mpiandry vavahady: samy olom-banona avokoa sady mahery fo amin’ny fanompoany.
Malagasy Bible 1865
Ireo rehetra ireo no avy tamin'ny zanak'i Obededoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny fanompoany; roa amby enim-polo no an'i Obed-edoma.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo rehetra ireo no avy tamin’ny zanak’i Obeda-Edoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin’ny fanompoany; roa amby enimpolo no an’i Obeda-Edoma.
malagasy
Ireo rehetra ireo no avy tamin'ny zanak'i Obededoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny fanompoany; roa amby enim-polo no an'i Obed-edoma.