1 Chronicles 27:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny amin’ny Zanak’Israely araka ny isany, dia ny loham-pianakaviany, ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin’izay raharahany rehetra isan-tokony, izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo sy roa alina avy no isan’ny isan-tokony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zanak’i Israely, araka ny isany avy, loham-pianakaviana, tomponarivo, tompon-jato, manamboninahitra amin’ny fanompoana ny mpanjaka, amin’ny zavatra rehetra momba ny isan-tokony, na ny tonga na ny miainga, isam-bolana, mandritra ny volana rehetra amin’ny taona, 24.000 no isan’ny antokony iray, - dia ireto:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny lehilahy israelita, na isam-batan’olona na loham-pianakaviana, na komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, na manampahefana, dia samy nanompo ny mpanjaka. Io fanompoana io dia ny raharaha rehetra momba ny antokon-tafika, izay nifandimby isam-bolana mandavan-taona. Isaky ny antokon-tafika dia nisy andiany 24;
Malagasy Bible 1865
Ary ny amin'ny Zanak'Isiraely araka ny isany, dia ny lohan'ny fianakaviany sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin'izay raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no isan'ny isan-tokony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny amin’ny Zanak’Israely araka ny isany, dia ny loham-pianakaviany, ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin’izay raharahany rehetra isan-tokony, izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo sy roa alina avy no isan’ny isan-tokony.
malagasy
[Ny nandaminana ny miaramila] Ary ny amin'ny Zanak'Isiraely araka ny isany, dia ny lohan'ny fianakaviany sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin'izay raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no isan'ny isan-tokony.