1 Chronicles 28:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Novorin’i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ny Israely, dia ny lohan’ny foko sy ny lehiben’ny antokony izay nanompo ny andriamanjaka, ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato, ny mpitandrina ny harena mbamin’ny biby fiompy rehetra an’ny mpanjaka sy ny zanany mbamin’ny tandapa sy ny lehilahy mahery, ary ny olona manankaja rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Novorin’i Davida tany Jerosalema avokoa ny lehibe amin’i Israely, dia ny lohan’ny foko, ny lehiben’ny antokony manompo ny mpanjaka, ny tomponarivo, ny tompon-jato, ny tonian’ny fananana sy ny biby fiompin’ny mpanjaka, sy ny zanany mbamin’ny mpitandrina sy ny olo-mahery, ny miaramila mahery rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Novorin’i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ny Israely: filohan’ireo foko, lehiben’ny andian-tafika manompo ny mpanjaka, komandin-tafika mpifehy arivo na mpifehy zato, mpiandraikitra ny fananana sy biby fiompy rehetra an’ny mpanjaka sy an-janany, tandapa, lehilahy mahery, izany hoe ny manampahefana rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary novorin'i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely, dia ny lohan'ny firenena sy ny komandin'ny antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbanin'ny fananana rehetra an'ny mpanjaka sy ny zanany mbamin'ny tandapa sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Novorin’i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ny Israely, dia ny lohan’ny foko sy ny lehiben’ny antokony izay nanompo ny andriamanjaka, ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato, ny mpitandrina ny harena mbamin’ny biby fiompy rehetra an’ny mpanjaka sy ny zanany mbamin’ny tandapa sy ny lehilahy mahery, ary ny olona manankaja rehetra.
malagasy
[Ny hafatra nataon'i Davida ny amin'ny hanaovana ny tempoly sy ny amin'ny fivavahana] Ary novorin'i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely, dia ny lohan'ny firenena sy ny komandin'ny antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbanin'ny fananana rehetra an'ny mpanjaka sy ny zanany mbamin'ny tandapa sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra.[Heb. ionoka]