1 Chronicles 28:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
natolony azy ny sarin’izay rehetra efa niseho tamin’ny fanahiny; dia ny amin’ny kianjan’ny tranon’NY TOMPO, ny efitrano rehetra manodidina azy ho an’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny ny tranon’NY TOMPO, ny rakitra masina;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mbamin’ny marika rehetra izay efa tao an-tsainy, momba ny kianjan’ny tranon’i Iaveh sy ny efitra rehetra amin’ny manodidina, ho an’ny rakitry ny tranon’Andriamanitra sy ny rakitry ny fitoerana masina,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nomeny azy koa ny sarin’izay rehetra efa nokasainy hatao momba ireo kianja ao an-tranon’ny TOMPO mbamin’ny efitrano rehetra manodidina ireo kianja: efitrano fitahirizana ny zava-tsarobidin’ny tranon’Andriamanitra sy fitahirizana ny zava-tsarobidy natokana ho an’ny Tompo.
Malagasy Bible 1865
ary ny sarin'izay rehetra efa niseho tamin'ny fanahiny; dia ny amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah sy ny efi-trano rehetra manodidina azy ho an'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
natolony azy ny sarin’izay rehetra efa niseho tamin’ny fanahiny; dia ny amin’ny kianjan’ny tranon’NY TOMPO, ny efitrano rehetra manodidina azy ho an’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny ny tranon’NY TOMPO, ny rakitra masina;
malagasy