1 Chronicles 28:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ny lanjan’ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; nomeny koa ny sarin’ny fiaran’Andriamanitra, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny môdelin’ny ôtelin’ny zava-manitra hatao amin’ny volamena voadio, araka ny lanjany; ny môdelin’ny kalesin’Andriamanitra, ny kerobima volamena mivelatra elatra manarona ny fiaran’ny faneken’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary ny lanjan’ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana vovo-javamanitra. Farany, nomen’i Davida an’i Salômôna ny sarin’ilay kalesy misy ireo kerobîma volamena izay samy manana elatra mivelatra manarona ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
ary ny lanjan'ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny koa ny sarin'ny kalesy, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ny lanjan’ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; nomeny koa ny sarin’ny fiaran’Andriamanitra, dia ny kerobima* volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny vata misy ny faneken’NY TOMPO.
malagasy
ary ny lanjan'ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny koa ny sarin'ny kalesy, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.