1 Chronicles 28:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana i Davida mpanjaka ka niteny hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ho an’ny fitoeran-tongotr’Andriamanitsika. Efa nataoko vonona izay hoenti-manangana azy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitsangana i Davida mpanjaka ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry rahalahiko amam-bahoakako! Izaho efa nikendry ny hanao trano fitsaharana ho an’ny fiaran’ny Faneken’i Iaveh sy ho fandiavan-tongotry ny Andriamanitsika, sady namonona no ho enti-manao izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitsangana i Davida mpanjaka, ka nanao hoe: –Henoy aho, ry havako sy mpiray firenena amiko! Raha izaho, dia efa fikasàko ny hanorina tempoly hipetrahan’ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, izany hoe ilay fitoeran-tongotry ny Andriamanitsika; ary efa novononiko izay hoenti-manorina azy.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ho an'ny fitoeran-tongotr'Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana i Davida mpanjaka ka niteny hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ho an’ny fitoeran-tongotr’Andriamanitsika. Efa nataoko vonona izay hoenti-manangana azy;
malagasy