1 Chronicles 28:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy koa i Davida tamin’i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa NY TOMPO Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Davida tamin’i Salômôna zanany: «Matanjaha! Mahereza! Miasà! Ary aza matahotra na manam-badi-po, fa i Iaveh Andriamanitra, Andriamanitro homba anao; tsy handao anao Izy, na hahafoy anao, mandra-pahavitan’ny asa rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy koa i Davida tamin’i Salômôna zanany: –Mahereza sy matanjaha ka mahefà! Aza matahotra na mivadi-po fa ny TOMPO Andriamanitra, ilay Andriamanitro, no miaraka aminao. Tsy handao na hahafoy anao Izy mandra-pahavita ny asa rehetra fanatontosana ny tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa Davida tamin'i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy koa i Davida tamin’i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa NY TOMPO Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon’NY TOMPO.
malagasy
Ary hoy koa Davida tamin'i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon'i Jehovah.Ary indreo ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin'ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.