1 Chronicles 28:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indreo, ny antokon’ny mpisorona sy ny levita dia hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ny tranon’Andriamanitra; ao aminao koa dia misy hanampy amin’ny asa samihafa rehetra, dia ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra izay hankatò ny didinao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indreo homba anao ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita ho amin’ny fanompoana rehetra ao an-tranon’Andriamanitra; homba anao, hahavitana izao karazan’asa rehetra izao, ireo olo-mazoto sy mahay, hanaovana ny taozavatra rehetra; ary koa ny lehibe sy ny vahoaka vonon-kanatanteraka ny didinao rehetra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indreo ny antoko-mpisorona sy levita, hanao ny fanompoana rehetra ao an-tempolin’Andriamanitra; mba hahavitana ny asa manontolo, dia miaraka aminao koa ireo olona feno risimpo sady kinga amin’ny taozavatra isan-karazany; ary ny lehibe mbamin’ny vahoaka rehetra dia hankatò ny baikonao an-tsakany sy an-davany.
Malagasy Bible 1865
Ary indreo ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin'ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indreo, ny antokon’ny mpisorona sy ny levita dia hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ny tranon’Andriamanitra; ao aminao koa dia misy hanampy amin’ny asa samihafa rehetra, dia ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra izay hankatò ny didinao.
malagasy