1 Chronicles 28:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa kosa NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, efa nifidy ahy tamin’ny ankohonan’ny raiko rehetra ho mpanjakan’ny Israely mandrakizay; fa i Joda no nofidiny ho mpitondra, ary tamin’ny taranak’i Joda indray dia ny ankohonan’ny raiko no nofidiny; ary tamin’ny ankohonan’ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin’ny Israely rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nofidin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely aho tamin’ny ankohonan’ny raiko rehetra, ho mpanjaka amin’i Israely mandrakizay. Satria i Jodà no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin’ny taranak’i Jodà, ny ankohonan’ny raiko no nofidiny ho mpanjaka, izaho no nankasitrahany hampanjakainy amin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa kosa ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely, efa nifidy ahy teo anivon’ny ankohonan-draiko rehetra mba ho mpanjaka hifehy an’i Israely hatrany. Satria i Joda no voafidiny ho mpanapaka; teo anivon’ny fokon’i Joda, dia ny ankohonan-draiko no voafidiny; ary teo anivon’ny ankohonan-draiko, dia ny tenako no nankasitrahiny hampanjakaina amin’i Israely manontolo.
Malagasy Bible 1865
Nefa kosa Jehovah, Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy ahy tamin'ny ankohonan'ny raiko rehetra ho mpanjakan'ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin'ny taranak'i Joda indray dia ny ankohonan'ny raiko no nofidiny; ary tamin'ny ankohonan'ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin'ny Isiraely rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa kosa NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, efa nifidy ahy tamin’ny ankohonan’ny raiko rehetra ho mpanjakan’ny Israely mandrakizay; fa i Joda no nofidiny ho mpitondra, ary tamin’ny taranak’i Joda indray dia ny ankohonan’ny raiko no nofidiny; ary tamin’ny ankohonan’ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin’ny Israely rehetra.
malagasy