1 Chronicles 28:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ankehitriny, eto anatrehan’ny Israely rehetra, dia ny fiangonan’NY TOMPO, sy eto anatrehan’Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity sy hamelanareo azy ho lovan’ny zanakareo mandimby anareo mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny, eto imason’i Israely rehetra, fiangonan’i Iaveh, sy eto anatrehan’ny Andriamanitsika, izay mandre antsika, dia araho sy tandremo tsara ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo rehetra, mba hanananareo ity tany soa ity, sy hamindranareo azy ho lovan’ny fara mandimby anareo mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny, ry havako, eto imason’ny vahoaka Israely rehetra izay fiangonan’ny TOMPO ary eto anatrehan’ilay Andriamanitsika Izay mandre antsika, dia tandremo sy diniho ny didy rehetra avy amin’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hahatananareo ity tany ity sady hamindranareo azy amin’ny zanaka amam-paranareo ho lova maharitra mandrakizay.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny, eto anatrehan'ny Isiraely rehetra, fiangonan'i Jehovah, sy eto anatrehan'Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan'ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ankehitriny, eto anatrehan’ny Israely rehetra, dia ny fiangonan’NY TOMPO, sy eto anatrehan’Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity sy hamelanareo azy ho lovan’ny zanakareo mandimby anareo mandrakizay.
malagasy