1 Chronicles 29:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida mpanjaka tamin’ny fiangonana rehetra: I Solomona zanako, ilay nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sy marefo; nefa lehibe ny asa, fa tsy ho an’olona ny lapa fa ho an’NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Davida mpanjaka tamin’ny fiangonana rehetra: «I Salômôna zanako, ilay hany nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sy osa, ary ny asa hatao dia lehibe, fa tsy lapa ho an’olombelona ity, fa ho an’i Iaveh Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Davida mpanjaka tamin’ny olona rehetra tafangona teo: –I Salômôna zanako, ilay hany nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sady tsy za-draharaha; nefa goavana ny asa hatao, satria tsy lapa ho an’olombelona fa tempoly ho an’ny TOMPO Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida mpanjaka tamin'ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin'Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an'olona, fa ho an'i Jehovah Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Davida mpanjaka tamin’ny fiangonana rehetra: I Solomona zanako, ilay nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sy marefo; nefa lehibe ny asa, fa tsy ho an’olona ny lapa fa ho an’NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
[Ny zavatra naterin'ny lehibe amin'ny Isiraely ho enti-manao ny tempoly] Ary hoy Davida mpanjaka tamin'ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin'Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an'olona, fa ho an'i Jehovah Andriamanitra.